4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy anomezako tsiny anao - Abel Andriarimalala

Tsy anomezako tsiny anao, ilay ianao mihafahafa

Toa te hiteny hanatsafa sy te hamboraka fitia



Tsy anomezako tsiny anao, ilay ianao mahasahisahy

Nikasa ny hanoroka ahy; kinanjo nikaviavia



Tsy anomezako tsiny anao ny resakao kidaladala

Ny tafanao kivalavala; ny hevitrao naniasia



Tsy anomezako tsiny anao, ireny rehetra rehetra ireny

Indrindra ianao ilay tsy niteny; tsy diso mihitsy ianao satria



Tia ahy ianao saingy nangina;

Fa nanahy ny tsy ho tiana;

Sy ho voatosi-tanan-droa



Ny hambom-ponao te-hiala;

Fa ny fitiavanao adala;

Nanantena anakam-po.



Fa ny anomezako tsiny anao, d’ilay ianao nihafahafa

Toa te-hiteny hanatsafa sy te-hamboraka fitia



Ary anomezako tsiny anao ilay ianao mba sahisahy

Nikasa ny hanoroka ahy; kinanjo nikaviavia



Mbola anomezako tsiny anao ny resakao kidaladala

Ny tafanao kivalavala ny hevitrao naniasia



Eny anomezako tsiny anao ireny rehetra rehetra ireny

Indrindra ianao ilay tsy niteny; disoiko mihitsy ianao satria



Tia ahy ianao k’aza mangina

Mitenenana re ho tiana

Sy ho raisin-tanan-droa



Izaho koa anie nahalala

Fa efa niandry anao malala!

Niandry anao anakampo




Partager tsy anomezako tsiny anao

Commenter tsy anomezako tsiny anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Abel Andriarimalala