4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia tsiambaratelo - Abel Andriarimalala

Raha toa fitia ambaratelo

Ka tsy ho antsika samirery

Raha toa zaraina amin’ny hafa ny alahelo

Dia aoka hijanona hatreo



Raha izao ny hafaliako tsy ho zaraiko

Satria efa iraisako aminao

Raha toa ny hafa no hibahana ato an-tsaiko

Dia aoka hitoetra am’izao





Raha toa ka mahalala izao tontolo izao

Fa miombona fitia izaho sy ianao

Ho foana tsisy intsony ny hasambarana

Ka vetivety dia hifarana



Fa raha fitia tsiambaratelo

Ka ho antsika roa irery

Antsika irery ny tsiky sy alahelo

Etsy aho raiso aho fa tia ahy ianao



Raha izao ny hafaliako tsy ho zaraiko

Satria efa iarahako aminao

Ianao no mahalala ny ato an-tsaiko

Ka raiso fa tiako ianao

Partager fitia tsiambaratelo

Commenter fitia tsiambaratelo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Abel Andriarimalala