4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zavaboahary - Antokom-pihira Akon'ny fahazavana

Endrey izany hakatony

ny zavaboaharinao

fa mampitolagaga anay

izay misy hatramin'izao ao

tsy takatry ny sainay

nefa hoy ny teninao

hanjakao tanteraka

izay rehetra misy ao



Injao misisioka ery

reo voromanga manga feo

na mihira foana eo

tsy mba mankaleo

jereo ny ahimaitso koa

reo voninkazo soa

maro loko tsara

sy mendrika tokoa



Ref:

Faly ery zahay nahazo

fahefana avy aminao

nefa Ray ô! mety halazo

satria tsy voakolonay



A/C: Maurice RASAMOELY.


Partager zavaboahary

Commenter zavaboahary

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antokom-pihira Akon'ny fahazavana