4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanaka adala - Wisdom in Memory

’Zao fiainan’izao

Efa nahasarika ahy fa toa tsara ery

Nandaozako anao,nanaiky aho ny ho babony

Nataoko avokoa

Ditra sy rendrarendra izay nandraranao

Nanaram-po aho nanao izay tsy fanao

Menatra aho noho izay rehetra natao

Meloka aho mifona sy mibebaka aminao TOMPO ô!



Te-hiverina aho

Ho eo anilanao

Te hitoetra an-tranonao aho,raiso re

Na dia ho mpanomponao

Raha tsy mendrika ny ho zanakao aoka aho hanompo anao.





Matetika aho

Tsy mba mahatsiaro anao raha tsy sendra manjo

Na sendra olana, kivy dia kivy tokoa

Nefa ianao

Tsy mba nandao ahy teo anilako hatrany

Ka na ratsy aza aho, mbola tsy nilaozanao ihany

Fa zava-poana mandalo zao rehetra izao

Ka raha mivoana, mibebaha faingana hoy ianao TOMPO ô!



Nanalavitra aho

Miverina aho izao

Miaiky ireo ota natao,raiso ré

Zao fifonako izao

Hiezaka aho hatram’izao tsy hamerina reo ratsy fanao

TOMPO ô

Te-hiverina aho

Ho eo anilanao

Te-hitoetra an-tranonao aho,raiso re

Na dia ho mpanomponao

Raha tsy mendrika ny ho zanakao aoka aho hanompo anao.




Partager zanaka adala

Commenter zanaka adala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Wisdom in Memory