4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ray zanaka fanahy - Wisdom in Memory

RAINAY ô!

Misaotra anao izahay nahary anay

Fa asan-tànanao izao rehetra izao

Namboarinao izahay ho toa anao

He hosana asandratray

Ho anao ry RAY

Nohon’ny fiahianao anay

Ny fahasoavanao tsy miova hatramizay

Ka hatramizao





JESO ô!

He izato fitiavanao anay

Nidina ianao nefa tsy tonga hanafay

Fa maty mba hamafa ny helokay

Dera laza eram-po

Ho anao tompo ô

Izay nibaby ny hazo fijaliako

Noho izany rehetra izany dia hidera anao hatrany

Ny vavako





FANAHY ô!

Monina ao anatinay ianao

Mananatra isan’andro ka manambara anay

Ny làlana mankany amin’ny Ray

Saotra no atolotray

Ho anao fanahy

Nohon’ny fitantananao anay

Izay rehetra ahy,tena fo sy saina koa

Ho anao tokoa

Ho anao tokoa TOMPOKO

                  

ref:

Ka ry RAY sy ZANAKA FANAHY

Izao hira izao no entinay

Midera anao mankalaza anao

Ianao ry Ray,

Ianao lay telo izay iray                   \

Ianao irery ihany no mahay            |

Zay mety ho ahy ho mandrakizay   | x2

Ka tanteraho amiko                         |

TOMPOKO                                        /



                

Partager ray zanaka fanahy

Commenter ray zanaka fanahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Wisdom in Memory