4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanak'ondry - NOTRE DAME DE L'ASSOMPTION

1.Nomen’ny Ray antsika ny zanany,

Nanaraka ny fomba maha olombelona,

Nefa tsy mba nanota,

Mba hanatanteraka ny famonjena antsika

Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra,

Mamindrafo aminay ee



Fiv: Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra,

Zay manala ny fahotan’izao tontolo izao,

Izay manala ny fahotan’izao tontolo izao ee

Mamindra fo aminay



2.Nenjehina, nampijaliana Ianao Jeso;

Nororana ary nokapohina koa;

Nofantsihana ka maty ambony hazo;

Ho fanalana ny fahotanay ratsy,

Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra,

Mamindrafo aminay ee



Fiv: Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra,

Zay manala ny fahotan’izao tontolo izao,

Izay manala ny fahotan’izao tontolo izao ee

Mamindra fo aminay



3.Nandresy ny fahafatesana Ianao Jeso

Satria natsangan’ny Ray,

Hiala tao ampasana

Nampakariny Hiakatra any an-danitra;

Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra,

Omeo fiadananao ‘zahay ee



Fiv: Ry Zanak’Ondrin’Andriamanitra,

Zay manala ny fahotan’izao tontolo izao,

Izay manala ny fahotan’izao tontolo izao ee

Omeo fiadananao izahay(Omeo fiadananao izahay ee)

Ome fiadananao izahay,(Omeo,Omeo fiadananao ee)

Omeo fiadananao izahay

Partager zanak'ondry

Commenter zanak'ondry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NOTRE DAME DE L'ASSOMPTION