4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavako - TANDINDONA

Tsy lasa lavitra tany an-tsekoly,
Dia najanona nalefa namboly
Tsy zarizary koa moa ny fianarana
Taty aminay, ka nahazo vahana ny tsy fianarana
Dia novolavolain’ny tany sy ny angady, ny fiainako
Dia novolavolain’ny tany sy ny angady, « ny fitiavako »

Sahirana mafy aho ankehitriny
Tsy haiko ny mitia izay olona izay
Avara-pianarana ny fitiavany
Ny fitiavako ambany ravin-kazo
Dia mihafy mafy, mijaly …
Fa ny hambo-poko tsy mbola maty.

Partager ny fitiavako

Commenter ny fitiavako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANDINDONA