4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavam-pahendrena - TANDINDONA

Tsy misy mety mionona,
Taranaka voaozona
Nefa samy mahalala,
Fanaperana tsy anjara

Nisakan-dalana,
Nanimba ny tontolo
Feno hasomparana,
Ny tany manontolo

Fitiavam-pahendrena
Nalatsaka ao an-doha
Feon-kira no tendrena
Nambabo ‘zato fo

Nitari-dalana,
Ho tia manao soa
Hasambarana,
Raha iainana tokoa

Fahendrena, no ho tiavina
Ho tiavina mba ho sambatra
Hasambarana, ny miaina Fahendrena

Partager fitiavam-pahendrena

Commenter fitiavam-pahendrena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANDINDONA