4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tara-masoandro - I S A L O

Tara-masoandro vao maraina

Etsy atsinanan-tanàna

Mibaiko ny saina tsy halaina

Sady mitondra hazavana.

Indreny ireo biby maro

Manomboka indray ny fanaony

Rehefa ho avoaka hifangaro

Miara-mihoraka indray. . .

Fa tonga ny maraina !



          Finaritra ny tontolo

          Samy ravo daholo !



Feon-tsarety no re

Any ambadimbadika any

Andian’ omby maro be

Indreny mamonjy ny ankany

Ny olona kosa ao an-tanàna

Samy efa revo mahandro

Misorona ny afo hanafàna

Tsisy masoandro. . .

Fa tonga ny hariva !



                                 Groupe ISALO

                                 (032 04 17 770)
















Partager tara-masoandro

Commenter tara-masoandro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe I S A L O