4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fararano - I S A L O

Ianao roana

Fiandry tanàna

Ianareo loharano tsy mba azo dikaina

Ianareo ialohava-mahavaka ny saina.



Veloma ny aina ô !



      Izao isika izao ry zareo no iray zevozevo

      Fitia varo-maty fa mamy an-tany saro tsata ô

      Fafao maraina ny kianja mba iara-hilalaovana.



Ianareo roana

Fivohy natao vala ô

Ianareo tian’andriana re nataony fitàna

Ianareo tiam-bahoaka dia ho aro tanàna.



Veloma ny aina ô !



      Fa tavim-bilany zareo ny aina manam-petra ô

      Sao revo-karena ka tonga sara-mianakavy ê

      Fafao maraina ny kianja mba iara-hilalaovana.



********



Veloma ny aina ô !



      Ny any aminay izao fararanom-bahiny

      Midoboka amponga fa fararanom-bahoaka

      afao maraina ny kianja mba hiara-hilalaovana.



Ianareo roana

Fiandry tanàna ô

Ianareo loharano tsy mba azo dikaina

Ianareo ialohava-mahavàka ny saina.



                                   Groupe ISALO

                                   (032 04 17 770)

  



      

Partager fararano

Commenter fararano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe I S A L O