4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tahotra - Dimitri

Mangeja loatra toa mamatotra ahy

Ilay fitia te ho anilanao

Mafonja loatra mila hanafotra ahy

Ny faniriana ho eo anilanao

Pont :

Izaho ’nefa tsy sahy

Matahotra aho

Ny hilaza aminao

Fa hoe "tiako ianao"

Izaho te hikiry

Hitsotra aminao

Nefa manahy aho

Sao dia lavinao

Réfrain :

Ataoko ahoana ny hiteny anao

Hanambara ny ao anatiko ao

Vahotra ny lelako

Raha vao banjininao

Ataoko ahoana ny hiteny anao

Tsy hitako izay azo atao

Maharary ny anatiko

Misento manina anao



Miha-lalim-paka tsy azo ferana

Fitiavako anao, tena babo anie aho

Toa zary nofiko ilay endrikao

Toa mila hitraotra aho hanenjika anao



... Matahotra aho nefa tiako ny ho anilanao ...

Réfrain ...

Partager tahotra

Commenter tahotra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dimitri