4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy foiko - Dimitri

Fifaliana no injao

Mipololotra anatiko ao

Foana hatreo ireo sentosento

Ny feonao no injany reko

Miantso ahy hoe avia

Hiara-hiaina ilay fitia

Hifampitantana tsy hisaraka

Tafakambana ho iray izaho sy ianao

Réfrain :

Mamiko loatra ianao

Tsy atakaloko olon-kafa

Ity foko no omeko anao

Tsy mba ho voafafa

mamiko loatra ianao

Kanto loatra ka tsy foiko

Ny fitiavako anao

Raiso, hanjakao



Toy ny tsy ety an-tany

Ny tamitamby toa tsy ho lany

Kanto loatra ny eo anilanao

Tsy ho laitra ny hifandao

Hafaliana tsy hita fetra

Izay no tao tarigetra

na misy aza ireo mpialona

Aza kivy, ny ho avy no jereo

Réfrain : ...

Partager tsy foiko

Commenter tsy foiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dimitri