4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara ny andro - Railovy

Tsara ny andro fa tony ny lanitra ambony
Manga mahafinaritra
Zavona kely no tazako eny
Mamiratra ny lanitra,
Endrika falifaly ny voro-manidina
Tompon'ny habakabaka,
Lomanon-jaza iray miboridana
Sambatra... tena miavaka,
Tsara! tsara ny andro
Baliaka sariaka ho antsika ny masoandro

Tsara ny andro ka faly, fa hafa ny omaly
Ny aizina toa tsy hisava,
Fiara miriotra, 'zay toy ny tafiotra
Miserana manavatsava,
Hirahira tanora arahin'akora
No maningatsingana any,
Raha toa hikarenjy, ny satroka penjy
Be sofina no ento mankany,
Tsara! tsara ny andro, sns...

Tonony: Jérôme Randria, Biry (1982,1990)   

Partager tsara ny andro

Commenter tsara ny andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite