4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Te-hahita anao - Railovy

Te hahita anao
no vetsovetsoko izao
Te hahita anao
te ho eo anilanao.
Ny foko malahelo
tsy hita izay atao
Mitondra fanafody e!
ny fahitako anao

Izao rehetra izao
sy ny saiko oriory
Gina toa mangaina
tsy mahita tory
Tonga ny maraina
tsapako hatreo
Mitondra fanafody e!
ny fahitako anao

Mihalohalo foana
tsy haiko hadinoina
izany endrikao
izany bikanao
Manakoako any
toa reko hatrany hatrany
izany feonao
izany hiranao

Tongava ka tongava e!
Fa mbola hitombo indray
Hitombo zato heny
Ilay fitia hatrizay
Ny foko malahelo
Tsy mahita izay atao
Mitondra fanafody e!
Ny fahitako anao

Izao rehetra izao ..sns

Tonony sy Feony: Jérôme RANDRIA 1960

Partager te-hahita anao

Commenter te-hahita anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite