4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rotsim-panahy - Railovy

Miantefa toa ako
Manihina anaty,
Vetsoventso navalona an-kira,
Manambara fitoniana,
Fitoniana tsy voafaritra
Rova hisambaran' ny fanahy.

Hatraiza ny fetran-kira ?
Inona ny fiainana eto ?
No mionona mangina ny ao am-po
Mandre ny rotsirotsinareo
Toa fisarahana,
Sy ireo hira mamy
Toa.. fanahy !

Fanahy mivetso
Ny fiainana mandalo,
Toa ny alina iray mampahory,
Mitahiry nofinofy,
Nofy tsy hay fantarina
Nefa feno rotsin' ny fanahy

Ny Railovy
Tonony : J. Randria , 1959
Feony   : Solo Alphonse Rakotomavo


Jereo eto

Partager rotsim-panahy

Commenter rotsim-panahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite