4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny tanananay - Railovy

(Besso)
Toerana tsy hadinoiko
Vita sary tsy hafoiko
Hirahira ato am-poko
Tendrombohitra sy ireo lohasaha
Mavamavana maha-te hizaha

(Rodobe)
Izany no tanananay
Trano vitsivitsy monja nefa maminay
Akany izay niandohana
Sady toera-mahatamana, kanefa voatery nialana

Mbola ao i Kaky sy i Neny
Sy ireo zandry vao miana-miteny
Ireny rehetra ireny , sy ny hava-tiana maro
Indreo!... indray miandry ao ;

Vahiny anefa aty an-tanin'olona
Vetsovetso lahy e!... vetsovetso roy e!
'Ndray mirongatra hariva
Zany masoandro iva, ka manembon-takariva
Ka!... ny sentoko mankany
Tsy!.. mba manadino anao hatrany
Mandram-pialako eto an-tany

Tonony : J.Randria
Feony : J Randria - Biry

Partager ny tanananay

Commenter ny tanananay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite