4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny masonao - Railovy

Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao milaza, ny foko no manjeny
Raha vao mijery anao
dia tsapako avy hatrany
ny ao anatinao na tsiky na tomany

vao tazako ianao
izay mibanjina ahy
ilay fijerinao baliaka sahisahy
dia azoko itokiana
fa tsiky sy hiomehy
ary tena fifaliana
no mameno ny tarehy

raha sendra ny ankaso
fa eto an-tany moa
raha toa manganohano
ilay dobo manga roa
akomboko ny molotro
fa maizina ny tany
sento no atolotro
ho setrin’ny tomany

Tamin’ilay ora
Vao nahitako
Ilay gejan’ora
Izay soa sy bakobako
ny masonao mitopy
Malefaka fijery
Mitsiky sy miangoty
Fitiavana mahery

Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao milaza, ny foko no manjeny
Raha vao mijery anao
dia tsapako avy hatrany
ny ao anatinao na tsiky na tomany

Ny masonao ihany
Milaza ny tsy hita
Nijery tsita lany
Ireo hafatra miampita
Ireo no ahitako
raha mbola misy ny fitia
ary ireo no ahalalako
raha vita ny tety

Na tsy misokatra aza ny vavanao miteny
Ny masonao milaza, ny foko no manjeny
Raha vao mijery anao ......

Partager ny masonao

Commenter ny masonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite