4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny androntsika - Railovy

Ny androntsika

Tsy ho adinoiko, tsy ho adinoiko hatramizao
Ny andro iray vao nahitako anao
Nifampijery, gagagaga izaho sy ianao
Dia nitoetra tato an-tsaiko ny endrikao

Nisaina zava-maro ny eritreritro
Naminaviana ny hiray akany aminao
Kanjo teo, tsapako fa tiako ianao
Tiako mihoatra ny fitia noheverinao

Hany ratra izay nihantra e
Maty momoka hatreo
Hira soa
No niventy tato am-po
Voasoratra hatrizay e
Izao fiainantsika izao
Fitia izay niarahana hatrizao

Tsy ho adinoiko tsy ho adinoiko hatramizao
Ny andro iray izay vao nahitako anao
Nifampijery, gagagaga izaho sy ianao
Dia nitoetra tato an-tsaiko ny endrikao

Jérôme Randria

Partager ny androntsika

Commenter ny androntsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite