4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Neny - Railovy

Nitsiky ianao, ry Neny tiako,

Fa fantatrao ny hafaliako.

Vao tonga teto an-tany aho,

Eny, hatramin’izao,

Dia nisahirana amiko ianao.



Roapolo taona ’zao androko izao,

Tsaroako foana fa tia ahy ianao.

Eny, eran-tany amin’izao tontolo izao,

Ianao no tsara indrindra,

Tsy foiko anatiko ao.



Neny, tiako ianao,

Masoandrom-pifaliako.

Neny, tiako ianao,

Fa mitantana ny diako.

Ny zavatry ny tany,

Mandalo eto ihany,

Fa tsy ritra, tsy mankaleo

Ny fitiavanao.



Izany adalako,

Raha mitomany ianao,

Mananatra ahy mangina,

Manoro tsotra izao.

Fantatro, ry Neny,

Fantatro ireny,

Fitiavana tsy ho lo doria.

Partager neny

Commenter neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite