4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Impiry impiry - Railovy

   Impiry impiry moa hatry ny taloha,
   Impiry moa raha ny marina tokoa
   No efa nisy ireo nitia namoy fo
   Diso lalana nanenina ao am-po?

Eny tsotra ny miteny hoe tiako ianao
Ka ny tia mora tia dia raikitra ao,
Nefa anie ny lolo an-jaridainanao
Nahazo mamy dia ilaozany eo ianao.

Fiririry moa ny mionona mangina
Mitahiry ny holatry ny fijaliana,
Naka toky fa mba nanan'olon-tiana
Nefa nitondra gindim-pahoriana.

   Izany ve no anjara?
   Asa fa tsy tsara
   Izany ve didy?
   Asa fa mangidy.

   Oh! oh! oh! oh!

Ny fitia eny ny fitia
Tsy mety ritra tsy ritra anatinao.
Raha omena tsy an-tery
nefa tsapanao fa very
Matokia fa manana ahy ianao.

Ny fitia eny ny fitia
Manan'aina ao antinao
Raha sendra ka naratra
sendra olona tsy mihantra.
Dia tsaboy, sitrano vaovao.

Oh! oh! oh! oh!

Tonony sy Feony: Jérôme RANDRIA
                              1966

Partager impiry impiry

Commenter impiry impiry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite