4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiaraka aminao - Railovy

Hiaraka aminao hatrany
      Hasambarako
   N'inon'inona hidona
   Tsy ahoana avokoa
Anilanao n'aiza n'aiza
   N'inon'inona hanjo
      Feno toky
   Tsy mba kivy koa.

Hiaraka aminao.No faniriaako
    Hatrany an-danitra any
      Faniriako tsy ho lo
       Hiaraka aminao
         Mandrakizay.

Fa eto an-tany dia voafetra
      Ny taonantsika izao
       Valopoplo eo ho eo
      Dia mateza hoy ianao
      Na izany na tsy izany
Ny lalantsika tsy ho hatreo
       Fa mbola hitohy
      Any ankoatra any.

    Hiaraka aminao... sns,

    Rehefa maty eto isika
       Hiaraka ho doria
   Hitsinjo ireo zanantsika
            miara-dia ety
   Ho fantatr'izy ireny koa
    Ny hasambaran'ny fitia
             Miara-dia
       Mifankatia doria.

      Hiaraka aminao ...sns,

Partager hiaraka aminao

Commenter hiaraka aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite