4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hasambarana - Railovy

Atao ahoana moa
Ahoana tokoa
Ny filaza aminao
Ny hasambarana
Miaina ao anatiko ao

Ahoana moa ny fiteny
Raha izao rehetra izao
No zava-poana
Raha tsy eo anilanao

Foiko
tsy tsaroiko akory
Ny amiko rehetra
Rehetra
Ny amiko
Ny taniko
Ny kilalao

'Zay rehetra sitrakao
Lazao
Ho tanterahiko avokoa
Sambatra aho
Eny sambatra
Mitoetra eo anilanao

Ampy ve ny fiteny
Hikazako ny fitiavako
Raha izao tontolo izao
Ry aiko
Foiko noho ianao.

Tonony sy feony:Jérome RANDRIA

Partager hasambarana

Commenter hasambarana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite