4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gasikara - Railovy

Raha vao tsinjo ny lanitra manga madio
Atsinanan'ilay Afrika
Midoboka mantsy ny fo
Tsy ho ela dia ho tody soa
Ranomasina tony sangian'onja fotsy
Manjelatra sy mipariaka
Manamorona lay Nosy mena
'Lay Nosy malala tsy afaka an-tsaina
O! Gasikara,tany tiana ,manahoana e
Ny hafaliana tojo anao tsy omby tratra
Gasikara ô Gasikara tany tiana a!
Arahaba e! Ela tsy nihaona ka velon-kira
samy faly,manahoana e!
Eh!lahy e!...eh!roy e!

Ny volon-taninao,ny zavaboary koa
Kanto sy mevameva mendrika sady soa
Ny mponina ao aminao
Mandroso tsotra izao
Mitady mikely aina hisondrotam-pirenena

Tonony sy feony:Jerôme Randria (1966)

Partager gasikara

Commenter gasikara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite