4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavako ianao - Railovy

Toa nofinofy ihany,ny fotoana mamy nahitako anao
Nambabo ny fanahy sy nanintona ahy mba ho tia anao
Nidoboka ny fo atao ahoana moa no nilaza izany anao
Ianao izay vahiny izay vetivety iny moa ifanomezan-tsiny
Saingy hatrizay dia mivaivay hafa taminao
Am-bolana aman-taona mitempo ao foana
FITIAVAKO IANAO

Tsy fantatro mihintsy izaho tia anao
Ny fiainako tsy misy raha toa tsy nisy anao
Tsy fantatro ny marina manadala ahy toy izaho
Tsy ilaiko ho fantarina izaho tia anao.

Ny ora-mikoriana ny alina mangina izaho nitady anao
Ny ho avy tsy voafetra ny ampitsoko rehetra efa lasanao
Raha toa tsy an-tsafidy ka mafy sy mangidy ny ao ambadika ao
Raha sanatria izany zakaiko hatrany hatrany moa hateza ny tomany
Mivavaka aho mazàna hatrany am-piasana,eny ho anao
Ny saiko tsy mirona na inona hidona
FITIAVAKO IANAO

Tsy fantatro mihintsy izaho tia anao
Ny fiainako tsy misy raha toa tsy nisy anao
Tsy fantatro ny marina manadala ahy toy izaho
Tsy ilaiko ho fantarina izaho tia anao.

Omeo fitiavana aho fa tiako ianao
Lazao fitiavana aho f'izaho tia anao
Ambarao fitiavana aho fa mamiko ianao
FITIAVAKO IANAO amin'izao tontonlo izao....

Jerôme RANDRIA

Partager fitiavako ianao

Commenter fitiavako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite