4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia fararano - Railovy

Raha lazaina aloha
Hafa ihany koa
Indray Sabotsy hariva izay
Tato an-trano

Izaho irery moa
Sorena be tokoa
Varimbarin'alahelo
Toy ny mamo

Teo am-parafara teo nipariaka
Sarinao,penina sy taratasy
Te hanoratra aho
Te hihira koa
Nifangaro anefa ireo tao am-po

Tsy tsaroako akory
Renoka aho natory
Nanonofy toa nahita anao hatrany
Nifoha avy eo
Hay nisy teo
Vetsovetso mba voasoratro ihany :
Teny ankiroa efa fantatrao
Nosoratako tamin'ny sarinao
Teny kely ihany
Kely nefa mamy
Mifono hasambarana tsy lany
Toa feom-baliham-pararano

Partager fitia fararano

Commenter fitia fararano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite