4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bao - Railovy

Maro be ireo olona efa fantatro tarehy
Hitako matetika hitako eny an-dalam-be
Saingy ity anakiray no ho lazaiko anao
Tanora tompon-tany mbola tsy fahitanao

Mba iza moa no anarany azafady lazao
sao mba fantatray ka mety gaga ianao
Ny anarany tsy fantatro fa raha toa tianareo
Raha manahirana anao dia ataovy hoe:BAO

BAO dia tovovavy tena Malagasy
Mitafy lamba fotsy,maotina sy gasy
Ny halavany,fijoro dia Bodovoahangy indrindra
Toy ny miss Majunga,raha bika no harindra
Ny fitsikiny ny tarehy raha azoko ambara
Ahatsiarovako ilay miss Tulear

Bao dia Malagasy raha jerena avy hatrany
Bao dia Malagasy mahafinaritra aok'izany
Na bika na tarehy toa tsapako sahady
Tena zazavay tsy fahita andavanandro

BAO a!aiza ianao re ry BAO a!Hilazako vaovao
Raha ho any an-tsena ianao,aiza ianao re ry BAO a!....

Partager bao

Commenter bao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite