4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza ela - Railovy

Manganohano irery
Tsy misy mahalala
Ny afo hamindroana
Tsaroana mamanala
Vetsovetso maro
Mirotsaka ao an-tsaiko
Mangina ny akany
Nilaozanao ry aiko

Ny dinidinintsika
'Reo hiraizay fanao
Tsy mbola mangatsiaka
Ao am-poko ao
Ianao irery ihany
Ianao no mahalala
Ny ahiahy sy ny alahelo
Raha lavitra ianao

Aza ela ianao, aza ela
Tongava malaky
Fa ny embona mivela
No mila tsy tanty
Hafarako mangina
Izao rehetra izao
Hafarako ry tiana
Mba hiverenanao.

Partager aza ela

Commenter aza ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite