4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andeha ho aiza zalahy - Railovy

Andeha ho aiza zalahy
Ho any an'ala re
Haninona any ho' aho
Hikalokalo re
Hikalokalo re sy hihirahira
hoe:
Manga sy tony
Ny lanitra ambony
Ka lalao e!

   Ramatoa, ndrematoa
Malakilakia ary zany dia
   Ramatoa, ndrematoa
Lalao e! ry zalahy

Andeha ho aiza zalahy
Ho any an-tampo-kavoana
Hanonina an-tampo-kavoana
Eny no misy fotoana
Eny no misy fotoana
   Hifoka rivo-tsoa
   Avy eo mijerijery
   ny manodidina koa

Ramatoa, ndrematoa...sns

Andeha ho aiza zalahy
Ho eny amoron'ny rano
Haninona amoron'ny rano
Hijery biby masiaka
Hijery biby masiaka,
Avy eo dia hisiotsioka
            (sioka)

Ramatoa, ndrematoa...sns

             Tonony/Feony: Bruno Randriamahatana(Biry)
                                                 1978

Partager andeha ho aiza zalahy

Commenter andeha ho aiza zalahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite