4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Akom-pahatsiarovana - Railovy

Manonja toy ny onja
Izany fahatsiarovana izany
Tonga dia miritona
Miverimberina eo ihany

Fa ranomasina iny ê mangeniheny
Ny saiko lasan' iny, sadaikatra hiteny
Nahita itony pejy sy ny anaranao
Voasoratra ao sy ao am-poko ao
Nandoro mahamay ny masoandrontsika
Nifanjoy, niray, ny dian-tongontsika
Ny sisa izay tavela mieloelo ao
Akon' hira ela, hatrao anatiko ao

Tsiaro mifangaro, zava-maromaro
tonga ao an-tsaiko ao

Eny mba hatraiza
Izany fahatsiarovana izany
Mangaina ny tontolo
Mipitrapitra manontany

Fa tany karakaina ny manoloana eto
Voary savolaina toronvandrovan-tsento
Ny manodidina ahy, voajeriko avokoa
Mitady ireo fanahy niainana taloha
Hitako ao ihany ilay hazo mamintsika
Voasoratra amin' izany ireo anarantsika
Miverina mangina ao an-tsaiko ao
Ny tafa nifaliana avy eo imolotrao

Partager akom-pahatsiarovana

Commenter akom-pahatsiarovana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite