4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana mamiratra - Raija ramanantoanina

Fitiavana Mamiratra

Niahotra ihany aho ny anoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Nony akaiky ianao,
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra
No sisa tazako

Nanantona ianao, nanoroka ianao
Dia tsy tsaroako intsony
Ny amiko rehetra rehetra, toa nanidina
Nanjavona teo izay nojereko
Ny masonao mamiratra
No nobanjiniko

Fotoana fohy, minitra fohy
Fa toa nijanona avokoa ny fiainan’ny tontolo
Nanaja antsika roa
Dia nofiko teo, nahoana moa
Natoky isika roa ny olombelona eto an-tany
Nofinofy antoandro
Tia tapaka teo ilay fotoana fohy
Ny masonao mamiratra no indro tazako
Coda: Nofy hoy ianao, nefa hoy aho
Kisarisary matotra ato an-tsaiko
Tsy afaka intsony, ireo nofinao
Toa sary sy nofin’ny fo
Nindraminao mba hialo
Fitiavana mamiratra

Nangovitra ianao, nihovitra ianao
Fa gadon’ny efa vintako ilay nanovitrovitra anao
Mitovy ny antso anao
Tsy tapitra hatreo ilay fotoana fohy
Fitiavana mandrakizay no miantomboka.

Niahotra hany aho ny anoroka anao
Nanomboka nangovitra ny anaty manontolo
Nony akaiky ianao,
Niezaka hiteny aho tsy nahavoaka feo
Ny masonao mamiratra
No nobanjiniko.
Niahotra ihany aho ny anoroka anao, niahotra ihany aho ny anoroka anao.
Rija Ramanantoanina

Partager fitiavana mamiratra

Commenter fitiavana mamiratra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Raija ramanantoanina