4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira An'ala - Jeneraly

A N ' A L A -jeneraly-

Izao ora izao no entiko hanambarana etoana
Ilay fotoana tsy hay hadinoana
Fotoana izay niarahantsika teny an'ala
Fa teny indrindra isika roa no nifanadala
Nioty voninkazo teny amoron-kady
Toa mpanambady andro alahady
Ni-tango-tango foana teny dia nandihy
Nandihy teny amorom-parihy
Ireo siokam-borokely
Izay re teny lavitra eny
Ireny no mozika
Izay nandihizantsika
Nakipiko ny masoko
Nangovitra ny molotro
Saika hilaza zavatra
Ka nefa tena vahotra ...
Fa veivety teo
Dia injay fa nisy feo
Tao feon'angorondao
Hay va re ka feonao
Ny bitsika mangina
no tena fifaliana
Fa any an'ala any no ahitana an'izany Dia izay !

Partager an'ala

Commenter an'ala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeneraly

Suite