4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha poety - Railovy

Alao sary ange
Ny hariva mena masoandro
Eny am-paran-dranomasina eny
sambolay iray
no misosa moramora
entin-drivotra mitopa eny
Lavidavitra ery
Ny morona jereo
Paradisa feno alam-boanio
Raha poety angamba aho
be ny voasoratro tao
Hilazako ny fitia ho anao

Eny veloma ho aho
Ry Masoandro!
Veloma ampitaina any
Ho an'ilay malalako
Iny, iny sambokely iny
Ny sambon'ny fitiavantsika
Avy an-dranomaism-be
Eny mandra-pihaona
Sombinaina !
Ny hirahirako ato anaty
Tsy mety manadino anao

Efa renao ve
Ny hiran-doharano mikoriana
Avy ao an'ala ao
Ny siokam-boron-kely
Maika hamonjy ny fodiany
Moa ve mba efa fantatrao
Ny feon-dakolosy
Izay manako takariva
Moa ve mba efa henonao
Raha poety angamba aho
Be ny voasoratro tao
Hilazako ny fitia ho anao

Eny veloma ho anao ...sns

            Tonony/Feony: Jérôme RANDRIA
                                        1981

Partager raha poety

Commenter raha poety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite