4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha misy tiana - Les FRÈRES ARTHUR

Raha misy tiana dia ianao

Raha ny hasambarako

Dia (ianao)² ihany

Indrisy anefa fa tsy ho sahiko

Ny hanambara ny fitiavako

       Rahoviana re ry tiana

       Izao faniriako izao

       No tsy ho nofy instony

       Fa ho anilanao mba lazao

Nataoko foana noho ianao

Izay hihaonantsika

Tamin’iny làlana iny

Indray andro izay aho

Dia niandry foana teo

Kanefa indrisy

Fa tsy nandalo ianao

       Nanjary ho fijaliana

       Ny nahitako anao

       Raha tsy ho anao ry tiana

       Ny fitiavako

Vao mba nitia any aho

Dia ianao

Ka ho adalako ve

Ny manjohy anao hatrany

Ataovy an-tsaina fa sarotra amiko

Raha ny hanambara ny fitiavako

       Inianao ve ry tiana

       Ny mbola tsy hamaly

       Minia tsy mahalala

       ’Ty foko efa tia, tena tia

                              LES FRERES ARTHUR

Partager raha misy tiana

Commenter raha misy tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les FRÈRES ARTHUR