4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Injany feo - Les FRÈRES ARTHUR

Injay ny feo manako mora

Feo fihobiana, feno hafaliana,

Mahasondriana

Toa paradisa ny fiainantsika

Ny tia sy tiana koa no tafaradia

O ry malala ô, ry fifaliako,

Mamiko indrindra ny anilanao



Raha toa irery ianao

Ka tsy fantatrao ny hatao

Fa malahelo foana tsy very dia

D’ilay dinantsika ho mandraizay

No ataovy an-tsaina hiverina indray



Lala ô!  ny fitiavanao

Tena tsaraoko mihantra ampoko

Tsy hadinoiko

Toa paradisa ny fiainantsika

Ny tiana sy tia no tafaradia

O ry malala ô! Ry fifaliako

Mamiko indrindra ny fitiavanao



Tsaroako anefa indrisy

Ity namako iray

Ny ranomaso foana no indro mitraho

Toa zava-poana izao rehetra izao

F’ilay nitokiana no indro nandao



Ny ahy raha fitiavana noekeko

Dia tsy miova, tsy misy fetra

Fa ho doria

Ka matokia, ô matokia

Ny fitiavantsika ho mandrakizay

Tena tsaroako, tsy  hadinoiko

Izao andro anio izao  no hitiavako anao

Partager injany feo

Commenter injany feo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les FRÈRES ARTHUR