4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha mba mahatsiaro ianao - Jean Luc Rahaga

Mba tadidinao ve ny fahiny

Fa niova ianao ankehitriny

Tsara kokoa ve ny an-dafy

F’efa ela ianao tsy nisy taratasy

      Tsika roa teny Ankororosy

      Nandeha tongotra hatreny Sabotsy

      Ambohimalaza sy Carion

      Teny Ivato isika ilay nahita accident

Raha mba mahatsiaro ianao

Andefaso Email aho izao

Manantena anao hiverina aho

Hiaraka hifankatia fa malahelo aho aty

     Miandry bourse aho hatramizao

     Maniry ny ho tonga any aminao

     Fa tantara be no efa vita

     ’Lay tany Ambatofotsy isika saika matin’ny hatsiaka

F’isika nitady hotely

misakafo dia manao sieste

Dia mitsoaka tsy mody rehefa hariva

Dia ilay indray andro isika tonga hatrany Tritriva

     Raha mba mahatsiaro ianao

     Andefaso email aho izao

     Manantena anao hiverina aho

     Hiaraka hifankatia fa malahelo aho aty

Miafina ireo mpanakora

Tany ambadibadik’ Alasora

’Zay tany alehako rehetra ahitako ny fiarahantsika

Dia malahelo tsisy fika ô ô ô


Partager raha mba mahatsiaro ianao

Commenter raha mba mahatsiaro ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jean Luc Rahaga