4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha izay fitia - Les FRÈRES ARTHUR

Raha izay fitia tsy ho hajaina

Aoka hifarana eo

Fa mampijaly, mampitomany

Mandratra fo

Tsy lany zara ka homeko anao

Ny fitiavako

Vonoy hadinoy izay lasa izay



Hatrizay aho dia nangina tsy mba niteny anao

Ho fitsapana no nanekeko niarahantsika

Koa anio no fetra mba hilazako

Izay ato am-poko

Vonoy tsy hisy intsony izay lasa izay



Mba mivavaha hahita izay hotiavina

Fa ny antsika foana rava hatreo

Hafa indray toloranao fitia

Fa izao aty efa manana mpitia

Koa ataoko ahoana indray ny fomba itiavako

Hadisoana ve ny hadao anao

Aiza ve ka sahinao zaraina

Anolon-kafa ny fitiavanao



Ny tiana anie ka natao hijaliana koa

Raha tsy hohajaina nefa kasaina ho namanao

Koa mahereza, aza kivy, f’efa natao

Fa izaho de hanadino hatramin’izao



Mba ho eo anilanao anie ilay tia anao

Manahy mafy  ndrao  hilazanao

Ambarao fa hoe ny antsika roa

De efa foana hatry ny elabe

Raha sendra mifanojo andalana eny isika

Olonkafa no eny anilako eny

Aoka ianao mba tsy hovaky fo

Fa izy anie ilay tiako noho ianao

Hadinoy izay lasantsika izay

Partager raha izay fitia

Commenter raha izay fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Les FRÈRES ARTHUR