4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha ho nofy - Railovy

Ireny kintana ireny, sy iny volana iny
Raha tambazanao halaiko, mba ho firavaka
Dia mbola ho nofinofy ihany
Iny habakabaka iny, sy ireny rahona ireny
Raha finidinao ho ankany mba ho fonenanao
Dia mbola ho nofinofy ihany

Fa raha ireny no firavaka
Iny habakabaka iny no fonenana
Dia masoandro hamiratra eny
Ny foko tianao

Eny ny fitiavan-tsika, miara-dia am-panahy
Ka ny hira tsara indrindra no ho kaloiko ao
Dia ny vetsom-poko tia anao
Raha ho nofy ihany, izao isika izao
Dia naleoko hatrany tsy nahalala anao
Saingy fitia te hiasambatra
Tiana sy tia tafatambatra
Ka ny zavatra hitan'ny maso
Dia mitory fitia ankamantatra
Ho anao' anilanao, ny vetsom-poko tia anao

Partager raha ho nofy

Commenter raha ho nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Railovy

Suite