4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha hendry ianao sombinaina - Ny Voanio



Raha hendry ianao sombinaina

Dia mamin’ny foko

Ilay izaho niteraka sy nitaraina

Toa tsy tsaroako

               Fola-damosina anie izany izaho

               Fony nibaby

               Matetika reraka sy mitalaho

               Mandraiki-manavy

               Kanefa raha hendry ianao sombinaina

               Dia sitran-tsy miody

               Ny rano tsy tiana, nampiferinaina

               Tonga fanafody



Raha hendry ianao sombinaina

Dia mamin’ny foko

Ilay rainao izay mivoaka maraina

Jemby, mitoloko

                Len-dranon’orana , voatanik’andro

                Sy tsemboka ery

                Mandeha mikarama isan’andro isan’andro

                Mandraiki-mahia

                Kanefa raha hendry ianao sombinaina

                Tsy misy maha-ory

                Ireo havizanana mampitaraina

                Tsy tsapany akory



Raha hendry ianao sombinaina

Dia mamin’ny foko

Fa na lany aza ny hery sy ny aina

Tsy asiana toloko

                 Ny ray aman-dreny dia renin-tantely

                 Mamela ny mamy

                 Ny zanaka sisa no mampiely

                 Ny soa eto an-tany

                 No sady raha hendry ianao sombinaina

                 D’izaho manantena

                 Fa manana olona azo antenaina

                 Ity firenena



                 Satria raha hendry ianao sombinaina

                 D’izaho manantena

                 FA MANANA OLONA AZO ANTENAINA

                 ITY FIRENENA

Partager raha hendry ianao sombinaina

Commenter raha hendry ianao sombinaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Voanio