4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Faly aho - Ny Voanio

Faly aho satria tonga ianao ilay nandrasako

ilay nandrasako tamin’ny fo manantena

tonga ianao satria sitrakao ilay hafatro

tonga ianao hijoro am’ilay fanekena



Tanteraka ilay nofiko ianao nilaharako

d’ilay ianao nofahifahiko ny mosarako

ianao,ianao irery ihany no tazana

tiako ianao,ianao re no tiako hiantsapazana



Lasa izay ny ora nisentosentoana

fa tonga kosa ny ora hiravoravoana

ilay vola nisoaka dia indro baliaka

hotsofina rano ny fitiavantsika

ilay volantantely manomboka anio

tazony hateza ho soa sy madio



Ka avia, avia manantona rahavako

fa voatokana ho anao ny fitiavako

isika izao dia hiray fo sy fisainana

hiaraka hamakivaky ny fiainana

Partager faly aho

Commenter faly aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Voanio