4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjarako ianao - PRaaLs

Taona maromaro izay
no niarahantsika roa tsy zava-poana
nandalo teo 'reo sedra nahamay
nefa izaho sy ianao dia teny foana
Vonona aho anio amin'ny fo madio
ny hiara-dàlana aminao mandrakizay
tsy an-katerena, fa an-tsitrapo ilay safidiko rahatrizay Fiverenana: Mino aho fa ianao 'lay anjara ho ahy ho fifaliako ka ho ahy irery ianao
tena tiako ianao aza manahy
fa anao sy ny andronao sisa aho, anjarako ianao Ho porofoiko anao anio ilay fitiavako
ka ho tanterahiko ilay toky nomeko
hoe ianao, hoe ianao ho ravaky ny tokan-tranoko
Ka raiso ny tànako
fa manomboka eto dia ho eo anilanao foana aho
tsy hamela anao irery
satria ny foko efa niteny hoe anjarako ianao Fiverenana :

Lyrics by Ash & Naaly

Partager anjarako ianao

Commenter anjarako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRaaLs