4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra mpamonjy mahery - KT Ambatovinaky

Andriamanitra Mpamonjy Mahery
Ianao no hany fanantenako
Ny ranomasina manonja ery
Tohano aho mba hahery fo

Iza no sakaiza ety an tany
Izay hampionona ny fo sy fanahy
Ho aiza moa aho fa tsy Aminao
Ianao no sakaiza tsy mba mandao

Izay mijaly kivy tra-pahoriana
Miantoraka Aminao mitaraina
Hahazo toky sy hery vaovao
Hitraka tokoa raha anilanao

Izay miandry Anao dia tsy mba ho very
Raha miady sy mitolona irery
Hatsotranao ireo sandrim pitia
Hiaro ny dia ho tody ery

Partager andriamanitra mpamonjy mahery

Commenter andriamanitra mpamonjy mahery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KT Ambatovinaky