4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lapa vaovao - Mamina sy Ravaka

Raha manontany izy, dia lazao fa efa niova aho
Efa namafa ireo lasa izay nanimba fitia taloha
Toa miambakavakava anie aho, vahotra aho ny hitafa aminy any
Fa te hamoha ilay fitia lo, hampamokatra indray ny voa

Ka miangavy aho, raha toa sitrakao
Andeha hiaraka hanangana lapa vaovao
Hifonako avokoa ireo natao
Ny lasako rehetra fafao

Raha hitanao any izy, dia lazao fa mbola miandry aho
Tsy nanadino, fa mbola mino, mbola hiova izy indray andro any
Toa sarotra ho ahy anie ny hanadino ireo nataonao
Fa mbola tia, ka tsy afa-mania fa voagejan'ilay fitia

Ka miangavy aho, raha toa sitrakao
Andeha hiaraka hanangana lapa vaovao
Satria efa vonona aho ny handray anao
Tongava re fa mbola miandry aho

Satria nania, ka tsy menatra ny handadilady
Fa ny fitia mandramaty fa tsy vazivazy

Ka miangavy aho, raha toa sitrakao
Andeha hiaraka hanangana lapa vaovao
Satria efa vonona aho ny handray anao
Tongava re fa mbola miandry aho
Ka miangavy aho, raha toa sitrakao
Andeha hiaraka hanangana lapa vaovao
Satria efa vonona aho ny handray anao
Tongava re fa mbola miandry aho
Ny lasako rehetra fafao
Fitiavana no iantsoako anao.

Partager lapa vaovao

Commenter lapa vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamina sy Ravaka