4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Madagasikara ( vm ) - Tyx. R

                             "Madagasikara"

Vitana sy masoandro vaovao

No mba iriako hitandrify aminao

Fotoana maro izay no niafiafiana

Nizakana ny mafy

Tsy dia nisy hafaliana



Miverimberina ato antsaiko ato foana

Ireo ankizy, mitaraina sy noana

Ilay taniko izay mamiko, tsy ho very ao amiko

Androany aho

Tsy very toky



REF : HIRAIKO AMINAO

          HO ZARAIKO AMINAO

          ILAY FITIAVAKO AN’ I MADAGASIKARA

          DIA HINO FOANA AHO

          TSY HO KIVY AHO

           FA MBOLA HO AVY ILAY MARAINA

           ETO MADAGASIKARA



Amin’izao taona vaovao izao

Feno fanantenana ao anatiko ao

Mba hampisava ilay aizina hatrizay

Dia ho eo foana ao

Eo ankaikinao



Homeko hatramin’ny foko rehetra

Sy ilay fitia, tsy misy fetra

Hanova izay ratsy ho tsara

Tsy miandry takalo fa mizara

Androany aho , tsy very toky



REF :

PONT:

REF



Parole et Muzik:  Tyx. R

Partager madagasikara ( vm )

Commenter madagasikara ( vm )

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tyx. R