4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vehivavy - Lola

Vehivavy

F'angaha raha tsotra ny vehivavy
Dia araraotina ohatr'izany
Efa fantatrao f'izy tsy handao
satria babonao

Lazaina kapain-tsy hita fery
Nefa tsy hahavita tena irery
Raha niangavy miladilady
avy eo mila ady

    Efa betsaka loatra ny zioga izay
         nentin'ireny vehivavy
    Atsaharo fa fomba mahamenatra
         efa lany andro

Ref:
       Ny vehivavy fanaja,
       Naterany ianao f'aza gaga
       Raha toa mitady ho solafaka ianao
       Eritrereto ny anabavinao

       Mitazona ny teny nomeny
       Izany no tena fahendreny
       Fa izy rehefa tia dia tia
       Miandrandra anao ho doria

Ireharehanao ny hoe mahazaka
Mitabataba ery ny vava
Ny fahalemena izay tokony hafenina
vao mainka adera

Raha sipa anefa no manao
Mila hitapy ny anao
Mibabababa fa tsy mahazaka
iaraha-mahalala
   
    Ny fitiavantena no betsaka ny azy
         Ka dia sahy manambany vehivavy
    Rehefa tojo ny mafy anefa
         Dia any ihany no miantefa

(Atolotro ho an'ny vehivavy rehetra eto amin'ny tononkira)

Partager vehivavy

Commenter vehivavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite