4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lazao ahy - HIRA

Ireo andro nifankahafantarana

Niseraserana sy nifankazarana

Mbola tsy fantatro ihany izay ilainao

Ka tsy ifanarahantsika toy izao



Ref: Lazao ahy

Tokony hanao ahoana moa aho

Dia ho fantatro izay andrasanao

Ka tsy haminany intsony aho



Tsy ialàko izay fanaoko tianao

Fa hovàko kosa izay tsy tantinao

Koa vonona aho ny hitafy toetra vaovao

Anefa tsy hiova fotsiny amin’izao fa



Ref: Lazao ahy

Tokony hanao ahoana moa aho

Dia ho fantatro tsara izay andrasanao

Ka tsy haminany intsony aho



Iriako ho hafaliana sy hafanàna

Izay rehetra avy amiko sy avy aminao

Tsy tantiko hisy alahelo fa ho tsiky lalandava

No hameno ny fiainanao sy ny ahy.



Tonony: Henri Rachel

Feony: Henri Rachel

Mpandrindra: Henri Rachel

Nandray feo: PROJECT’OR

Partager lazao ahy

Commenter lazao ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HIRA