4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianareo zanako - Dadah

IANAREO ZANAKO



Namoronako ny tsy nanànako,

Nanakarako ny tsy azon’ny tànako,

Nandaniako izay kely fananako,

Ianareo zanako...



Ts’isy tany nihoriranako,

Matetika tsy nihinanako,

Aretina aza mbola nitsanganako,

Noho ianareo zanako...



   Satria, tsy misy maniry,

   Ireo voa nafafy no ratsy faniry;

   Samy mikolo sy mikely aina,

   Mba ny solo hojinjaina,

   Hanana ny tsara hoandrandraina.



Be ny làlana saika nandehanako,

Ny sampanana saika nivilianako,

Nefa ny mahitsy no notanako,

Noho ianareo zanako...



Matetika, nikapoka ny tànako,

Nisy fotoana tsy maintsy nihenjanako,

Mahery, angamba, hoy ianareo ny fitantànako,

Nefa ho anareo zanako...



   Satria, tsy misy maniry,

   Ireo voa nafafy no ratsy faniry;

   Samy mikolo sy mikely aina,

   Mba ny solo hojinjaina,

   Hanana ny tsara hjoandrandraina.



Na noana aza aho, ianareo no nofahanako,

Ho anareo no nifaninanako,

Izay sitrapoko zary nobahanako,

Noho ianareo zanako...



Fa ho avy ny anro tsy hitsanganako,

Fotoana izay tsy maintsy handehanako,

Nisy anareo tety nisahiranako,

Izay no fiadanako...



   Ianareo ho tsara faniry,

   Hiroborobo, holavitry ny hirifiry,

   Izay no valin-kasasarana,

   Tojo ho hasambarana,

   Ho ahy any am-pitsaharana!



Dadah

Partager ianareo zanako

Commenter ianareo zanako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah