4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hadisoako angamba - Abel Ratsimba

Tafaraka isika iny takariva iny

Ka na dia mbola tsy nifankalala aza

Ny foko tanatiko tao

Dia tsaroako nitempo fitia

Ka ny fahitako anao

Dia nanaitra ahy satria

Ny bika nanananao

Ny endrika tsy lazaina intsony

Asa izay ho toetranao

Fa ny foko efa raiki-pitia

Hadisoako angamba izany

Nefa ny herim-pitia tato anaty

Dia tsy haiko noresena

Ka nanery ahy hiloaka avy hatrany

Hamboraka aminao ny fitiavako anao sombinaina

Na nisy tahotra aza

Resy izany noho ilay herin-tsaina

Partager hadisoako angamba

Commenter hadisoako angamba

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Abel Ratsimba