4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa tara - Voahangy

Nivoady izy fa hanaja sy hitia anao

Ninia nikipy raha nahita ireo ditranao

Nivavabavaka isan’andro hampiova ny fonao

Nandefitra sy mbola tia

Sao dia mba ho tsapanao.



Tsaroany ireny andro hariva niandrasany anao

Ireo alina izay nangatsiaka, irery izy izao

Nangasihasy toy ny very izy raha nilaozanao

Nekeny anefa rehefa izay no fahasambaranao



  Nefa ankehitriny ve

  Vao tonga ianao

  Nefa ankehitriny ve

  Vao tsapanao

  Ny fijaliana izay nentiny

  Nitia, niandry, nandefitra hatrizay.



Diso aoriana nefa hono

Vao tonga ianao

Efa voafafa sy voasolo ny anaranao

Tsy mora ny hoe nanadino

Ny tsiahy napetrakao

Nefa sitram-panafody ihany

Ilay ratra mbola vao



Diso aoriana nefa hono

Izato antsonao

Toerana efa voasolo no vantaninao

Nahay namboatra saina mantsy

Ilay nilaozanao

Efa mba manolatra ilay fery izay navelanao.



    Nefa ankehitry ve

    Vao tonga ianao

    Nefa ankehitriny ve

    Vao tsapanao

    Ny fijaliana nentiny

    Nitia, niandry, nandefitra



    Nefa ankehitriny ve

    Vao ilainao

    Nefa ankehitriny ve

    Tadiavinao

    Ilay nitia ’zay natosikao

    Efa tara hoy aho vao folaka ianao.

Partager efa tara

Commenter efa tara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite