4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainana izany - Voahangy

Ny saiko adala, tsy mety mino

Tsy mety mino, fa tsy ho hita intsony ianao

Feno alahelo, vonton-dranomaso

Miaina izao, ora farany eto izao



Na tsy hino aza, na tsy hiaiky

Tsy maintsy aleha, izao làlanao izao

Izany ihany anie, no hananan-kery

Mifarana eo, ny tantaram-piainanao.



Miverina ato an-tsaina

Ireo adiady izay natao

Mitaraindraina

Ilay mozikanao

Miverena hoy aho

Raha mbola azo atao

Fa foana babangoana

Ny toeranao



Satriko ihany, ho eto ianao

Nefa indrisy, ts’isy intsony azo atao

Mino anefa aho, f’any andro iray

Izaho sy ianao, mbola hifankahita indray



Marina fa hoe

Efa voasoratra hatrizay

Vahiny isika, mandalo dia izay

Mbola hody ho vovon-tany

Hanaraka azy ihany

Mafy anefa dia tsy maintsy

Fiainana izany

Mbola hody ho vovon-tany

Tsy azo hidifina mantsy

Fiainana izany


Partager fiainana izany

Commenter fiainana izany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy

Suite