4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ao izy e - Dadah rabel

Ao izy e - Dadah Rabel & Ina (http://www.dailymotion.com/video/xe7gls_ao-izy-e-dadah-rabel-inah_music)



Ianao ‘lay nailika, ankilabao

Nasiana tsipika tsy azo hihoaranao

Toy irony kamboty, tsy misy mpiahy

Mba te hiangoty nefa tsy reny tsy ray



AO IZY E, HANOME

‘LAY ANJARA FITIA

F’IZY ANIE NO HO MANDRE

NY ANTSON’IREO VERY DIA

AO IZY E, HANOME

‘LAY ANJARA FITIA

TS'IZY ANIE NO HANY MANDRE

NY ANTSO MANGINAN’IREO IZAY NANIA



Ianao ‘lay nibaboka fa nanao ny ratsy

Vao mainka nadaboka sy narahina fantsy

Toy ny resy mifona fa lavo an-tany

Odiana tsy henoina fa darofana ihany



AO IZY E …



Ianao diso famindra, solafaka

Ireo namanao indrindra no nanavakavaka

Fa nadio ianao fahiny, nolazaina hoe tsy ratsy

Nefa dia nomena tsiny fa nisy loto nanasy



AO IZY E …

Partager ao izy e

Commenter ao izy e

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah rabel